<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Akory ny hamaroan'ny asanao, ry Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra. Henika ny asanao izao tontolo izao. Ao ny ranomasina feno zava-manana aina, na kely na lehibe. Indro ny lanitra, feno famirapiratana mahagaga; ary ny tany rehetra samy feno zavatra avokoa, ka mampiseho ny voninahitrao, Andriamanitra ô!</lyrics>
<title>Akory ny hamaroan'ny asanao AN13</title>
<hymn_number>13</hymn_number>
</song>